EMETTEUR HO AN’NY BEALANANA

Tsy niandry ela, fa tao anatin’ny fotoana fohy dia voavaha ny olana ao Bealanana, faritra SOFIA, satria, tonga soamantsara tao an-toerana ny andron’ny Sabotsy lasa teo iny ny « Emetteur Télévision ».

Araka izany, miverina amin’ny laoniny ny fanarahana ny fandaharana mivantana amin’ny TVM, raha nisy fiatoana kely izany nandritry ny iray volana mahery kely, noho ny fahasimbana nisy tamin’ny « Emetteur » teo aloha.