21 FEBROARY IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TENIN-DRENY

« Tenindreny sy Teknolojia »

Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia miray fo amin’ny olon-drehetra mankalaza ity andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ity. Fanamby ahafahana manome lanja manokana ny tenindreny ny fotoana toy izao ary tsy azo hadinoina satria ny tenindreny no ivon’ny fiainana na eo amin’ny lafiny Kolontsaina na fanabeazana na toekarena na sosialy na politika.Ny tenindreny no ibeazana ary anabeazana ny taranaka handimby.Ny tenindreny no ilo mby an-doha tsy azo tsinontsinoavina eto amin’ny firenena.Ny tenindreny no hampitana fahalalana sy ny Soatoavina maha Malagasy antsika.

Endrika isehoan’ny fivoaran’ny vanimpotoana ny Teknolojia; kanefa tsy manakana ny fiainan’ny teny akory izany ary indrindra fitaovana hamelomana ny teny ho eo am-bavan’ny tsirairay.

Ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia miezaka manome toerana ny fiteny isam-paritra ary manaporofo izany ny fampahafantarana ohabolana isam-paritra maneho ny firaisankina mandritra izao fotoam-pankalazana izao.
Na dia eo aza ny fahasamihafana dia IRAY IHANY isika Malagasy.