FARAFANGANA : NARENINA TAMIN’NY ALALAN’NY TAGNAMARO NY IVO-TOERANA MISY NY TVM SY NY RNM

Tafaverina amin’ny endriny vaovao ny foiben-toeran’ny RNM sy TVM ao Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana, vokatry ny « TAGNAMARO MANOKANA – FANARENANA » izay ataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina taoriann’ny rivodoza Batsirai sy Emnati farany teo.

Ny « TAGNAMARO MANOKANA- FANARENANA » dia fiaraha-mientan’ny olompirenena araka ny toro-mariky ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA, entina hanarenana ny fahasimbana sy ny fahavoazana noho ny rivodoza.

Mavesatra ny takaitra raha ho an’i Farafangana manokana. Maro ireo foto-drafitrasa simba tanteraka, isan’izany ireo biraom-panjakana samihafa.
Ho an’ny ivo-toerana misy ny TVM sy ny RNM dia nosoloina iray manontolo ny tafo, ny valan-drihana, naverina nolokoina ny anatiny sy ivelan’ny trano.

Nasiam-panatsarana ihany koa ireo varavaran-kely sy varavaram-be. Naverina natsangana koa ny fefy manodidina. Nandray anjara tamin’ity hetsika ity ireo tompon’andraiki-panjakana ao Farafangana notarihin’ny Governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana, ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa indrindra ireo fokonolona tao an-toerana.

Tapak’andro monja dia nahavitana ny fanarenana noho ny fahavitrihan’ny olom-pirenena niara-nientana nanao ny Tagnamaro.

Tsiahivina fa efa notapahana tao anatin’ny filan-kevitry ny Minisitra ary nanomezan’ny Filoham-pirenena toro-marika manokana ireo tompon’andraikitra isan-tokony, ny fanarenana maika ireo foto-drafitrasa rava sy potika, ka amin’ny alalan’ny Tagnamaro no hanaovana izany.