FAMPIRANTIANA NY SANGAN’ ASAN’ I FINOANA RATOVO

I Finoana RATOVO dia tovovavy vao erotrerony kanefa manan-talenta goavana amin’ny fanaovana sary sokitra amin’ny vy (sculpture en fer).

Izy no nosafidian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Ofisim-pirenen’ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (OFNAC) hampiranty ny sangan’asany nanomboka ny 14 marsa ka hatramin’ny 24 aprily 2022, eo amin’ny « Galérie d’art Raparivo R.R. » ao amin’ny IVOKOLO Analakely.

Nandritra ny lanonana androany maraina teny an-toerana dia nanararaotra nitsidika ny fampirantiana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, notarihan’ny Tale Jeneralin’ny OFNAC sy ny mpiara-miasa ao amin’ny MSK.

« Miavaka ny talentan’i Finoana RATOVO indrindra fa amin’ny maha-vehivavy azy nefa manao asa amin’ny vy tahaka izao, ka mendrika asongadina sy tohanana feno » hoy Ramatoa Minisitra.

Maimaim-poana ary misokatra ho an’ny daholobe ny fampirantiana sady hivarotany ireo kantony ireo koa.