HO VAKOKA MANERAN-TANY NY EGLIZY KATOLIKA AMBODIFOTATRA SAINTE-MARIE

Tonga eto amintsika ny expert vahiny avy amin’ny ICOMOS.

Miroso miandalana ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny dingana takian’ny UNESCO ahafahana mampiditra ny Eglizy Katolika Ambodifotatra any Sainte-Marie ho isan’ny Vakoka maneran-tany na « PATRIMOINE MONDIAL ».

Tafiditra indrindra ao anatin’izany dingana izany ny fitsirihan’ny manam-pahaizana na « expert » avy amin’ny ICOMOS na « INTERNATIONAL COUNCIL ON MONUMENTS AND SITES » ny toerana.

Tonga eto Madagasikara araka izany ny Profesora Thomas COOMANS, manam-pahaizana momba ny « histoire de l’architecture et conservation du patrimoine », noraisin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina izy androany maraina tao amin’ny biraony, talohan’ny niaingany ho any Sainte-Marie.

Hitsidika ny Eglizy Katolika izy ary hamaritra ilay antsoina hoe « Valeur Universelle Exceptionnelle » mikasika izany mba hirosoana amin’ny dingana manaraka indray dia ny fanomanana ny antontan-taratasy tena izy (dossier définitif) hapetraka eo anivon’ny UNESCO.

Androany ihany izy dia nihazo an’i Sainte-Marie niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny MSK sy ny manam-pahaizana malagasy momba ny vakoka tarihin’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, ary nanomboka ny fakan-kevitra tamin’ireo vondron’olona voakasiky ny tetikasa any an-toerana.