TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Zanaka kininina sy acacia mitotaly 1000 isa no voavoly tao amin’ny tanin’ny oniversite ISTRALMA Andrarabary kaominina Ambatondrazaka Suburbaine, androany sabotsy 19 martsa 2022 nandritra ny hetsika TAGNAMARO.

Nifanome tanana namboly izany ireo serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, mpandraharaha, mpanao gazety ary fikambanana eto Ambatondrazaka.