TAGNAMARO ANDILAMENA

Fanamboarana ny lalana mirefy 300 metatra miakatra ao ambany andrefana Andilamena izay anisan’ny simban’ny rotsak’orana ny hetsika TAGNAMARO tamin’ity volana martsa ity tao amin’ny Distrikan’ Andilamena.

Nototofana tany sy vatokely ireo lavadavaka, ary nasiana lalan-drano ny sisin-dalana mba ialana amin’ny fahasimbana amin’ny fiavin’ny orana.