TAGNAMARO TOLAGNARO (Faritra Anôsy)

Fanatsarana ny zaridaina ho an’ny daholobe eo akaikin’ny sekoly « Fo masin’ni Jesoa » Bazarikely sy fangalana ireo fatin-kazo izay nanelingelina ny arabe ao Bazaribe ny TAGNAMARO teto Fort-Dauphin izay notanterahina tandroany 19 Mars 2022.

Tsiahivina fa nitondra faisana ity zaridaina ity nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Emnati farany teo satria dia maro ny hazo nidaraboka ka nanome endrika ratsy io toerana io.

Ankehitriny anefa dia afaka ampiasaina soa aman-tsara izy izao.

Ny fitaleavam-paritry ny serasera sy ny Kolontsaina Anôsy, izay miara-miasa akaiky amin’ny Kaominina Ambonivohitry ny Tôlagnaro no nitarika ity Tagnamaro ity.

Ny UPC na Unité de Protection Civile, ny Fandraharana ny Fonja, ny Skoto, ny JRC (Junior Reporteur Club), ny Fikambanana mpampianatra teny japône sy sinoa eto Fort-Dauphin no niara nanao tanana miara-mibata sy soroka miara-milanja tamin’izao TAGNAMARO izao.