NY VAKY SEHATRA HIRA GASY 2022.

NANOKATRA NY VAKY SEHATRA HIRA GASY 2022 RAMATOA MINISITRA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO.

Ny Fokontany Ambohijafy Kaominina Imerintsiatosika, Distrikan’Arivonimamo no nosafidian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanamarihana amin’ny fomba ofisialy ny fiverenan’ny Hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, tamin’ny alalan’ny fanokafan-dRamatoa ????????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO ny taom-pikatrohana 2022 amin’ny hira gasy niaraka tamin’ny Federasion’ny Mpanao Hira Gasy eto Madagasikara.

Niara-dia taminy tany an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tany Arivonimamo, dia i Zoky Andry.

Raha tsiahivina dia nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny Minisitera, nanao ny fampitana am-bava teo anatrehan’ny Filankevitry ny Minisitra nangatahana ny mba hiverenan’ny hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, taorian’ny krizy ara-pahasalamana noho ny Coronavirus.

Anisan’ny sehatra niharam-pahavoazana mafy ny kolontsaina satria efa ho roa taona dia zara raha afaka niasa ireo mpisehatra ao anatiny noho ny fiparitahan’ny valan’aretina, ka rariny loatra raha niady ny ahafahan’izy ireo misehatra indray ny Minisitera mpiahy.

Niandry fatratra izay fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana izay ny mpanao hira gasy ka hafaliana ny nandraisan’izy ireo ny fanambarana nataon-dRamatoa Minisitra androany.

Marihana manokana fa ny 70% ny mpanao hira gasy dia saika avy amin’ny faritr’Itasy avokoa.

Ny ???? ???? dia isan’ny Kolontsaina mampiavaka antsika Malagasy, haikanto feno dia feno satria misy mozika, dihy, hira, kabary ary tantara.

Nambaran-dRamatoa Minisitra nandritra ny lahateniny fa efa mandeha ny asa amin’ny hampidirana ny « ???? ???? » ho ao anatin’ny lisitry « ?????-?????? ???-?????’?? ?????’?????????? » eo anivon’ny UNESCO taorian’ny « ?????? ???????? ».

Hira gasy goavana nifanandrinan-dRasoalalao Kaviha Ampahimanga sy Ratovoherison Ambohijafy Ambatonapoaka no nankafizin’ny vahoaka marobe, ity farany izay tarika vaovao vao niforona ka notsofin-drano manokana androany.

Ankoatra izay dia nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fokontany Ambohijafy, kaominina Imerintsiatosika ihany koa Ramatoa Minisitra, namaly ny fangatahan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.