FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY CLUB FANORO AMPARAFARAVOLA

Tontosa ny Sabotsy 26 Martsa 2022 tao amin’ny CEG Amparafaravola ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Club Fanoro Amparafaravola sy ny taom-pianarana ny teny vahiny ary ny fianarana ny asan-tserasera amin’ny ankapobeny.

Tonga nanome voninahitra izany ny Lehiben’ny distrikan’Amparafaravola, ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Alaotra Mangoro, ny Talem-paritry ny Fampiarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, ny Ben’ny tananan’ny Kaominina ambonivohitra Amparafaravola, ireo Assistants Parlementaires ny solombavambahoakan’ny Madagasikara mianadahy voafidy tao amin’ny distrik’Amparafaravola, ny Chef Cisco an’ Amparafaravola, ny Médecin Inpecteur an’Amparafaravola, ny Délégué ny Serasera sy ny Kolontsaina Amparafaravola, ny Talen’ny CEG Amparafaravola, ireo Mpampiofana ny Club Fanoro, ary ireo Mpanao Gazety.

Mianatra ny teny Anglisy sy ny teny Frantsay ary ny teny Japone hatramin’ny faha 18 ny volana Jona 2022 ireto tanora maherin’ny 250 mianadahy ireto ary aorian’izay dia hisy ny fanolorana ny « Certificat de fin de formation » avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak’asa.

Nambara tao ihany koa fa hisitraka ny fiofanana amin’ny ankapobeny ny asan-tserasera ireto Club Fanoro Amparafaravola ireto, izany no hatao dia mba hanampiana ireto tanora ireto satria dia fantatra fa ny sehatra rehetra dia ilana serasera avokoa ary hisintonana ny fanirian’ireo izay mety ho liana hanao ny asa fanaovan-gazety ihany koa aoriana kely ao.

Ary ankilan’izay dia nilaza ihany koa ireo Mpampianatra ato amin’ny Club Fanoro fa ankoatra izao fianarana efa arahan’ireto tanora ireto izao dia mbola hanome fampianarana manokana maimaimpona ho an’ny Club Fanoro Amparafaravola izay hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC sy Baccalauréat amin’ity taom-pianarana ity ihany koa izy ireo eo amin’ny taranja literera.

Noho ny fankasitrahan’Atoa Lehiben’ny Distrikan’Amparafaravola izao fanampiana ny tanoran’ny distrin’Amparafaravola izao moa dia hotolorany penina « Schneider » miisa roa (manga sy maintso) avy ny mpianatra rehetra ato amin’ny Club Fanoro Amparafaravola ary vola ho an’ny mpampianatra.