VOLANA IRAY, MPANORATRA IRAY

Notanterahana androany tao amin’ny Efitrano Jaomanoro, Tranombokim-pirenena Anosy ny fihaonana tamin’i Avelo Nidor.

Izy moa no mpanoratra nomen-danja sy nampahafantarina tamin’ity volana marsa ity.

Nandritra ity volana ity dia nisy ny fihaonany tamin’ireo mpitia ny literatiora tany amin’ny faritry Bongolova, ny fampirantiana ny sombin’ireo asa sorany tao amin’ny Tranombokim-pirenena, teo ihany koa ny fandaharana tao amin’ny TVM sy ny RNM ary nofaranana tamin’ny fihaonany mivantana tamin’ireo mpitia ny kanto izany.

Mpanoratra hafa indray no ampahafantarina antsika amin’ny volana Avrily.