TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Fanadiovana ny La Place no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO teto Ambatondrazaka, androany sabotsy 16 aprily 2022.

Nitarika izany ny Préfet an’Ambatondrazaka sy ny Sekretera Jeneralin’ny faritra Alaotra Mangoro niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Niara-nientana ny rehetra namafa sy nisoroka ireo fako ary ny fiadidiana ny tanàna no niandraikitra ny fitaterana ny fako.