TAGNAMARO ANTSOHIHY

Tato anatin’ny andro maromaro no nahatsapana fa lasa tanteraka ireo oranandro mikija nentin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra.

Ankehitriny, hiditra amin’ny vanim-potoana ririnina sy maintany ny aty amin’ny tapany avaratra.

Araka izany, nosafidiana manokana tato amin’ny toerana misy ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina no nentina nanantanterahana ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena tamin’ity Asabotsy 16 Aprily ity.

Indray nodiovina avokoa ny manodidina rehetra. Anisany nampiavaka tamin’ny Tagnamaro ity androany ny fahavitrihan’ireo tanora mpiangaly ny dihy nentim-paharazana mampiavaka Sofia, izay tonga maro tokoa.