TAGNAMARO FENOARIVOBE

Fanadiovana sy fanesorana ireo lobolobo tao amin’ kianja filalaovana Basket sy Volley tao amin’ny Vikabe Fokontany Andranomirafy no nanamarihina ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena tamin’ity sabotsy 16 aprily 2022 ity taty amin’ny Kaomina Fenoarivobe.

Ankoatr’ireo olontsotra sy fikambanana maro samihafa dia tonga maro ihany koa ny sampandraharaham-panjakana rehetra notarihin’ny Lehiben’ny Distrika.