TAGNAMARO TOLIARA

Anisan’ny nanatanteraka tagnamaro, amin’ity andron’ny olom-pirenena androany ity, ny teto Toliara renivohitra ka teo anoloan’ny biraon’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany no nanatanterahana izany.

Fanadiovana ny arabe eo anoloana sy fanadiovana ny toerana manan-tantara antsoina hoe Ankilisoafilira no notontosaina tamin’izany.

Ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsimo Andrefana dia mankasitraka hatrany ny mpandray anjara rehetra.

Ho izao ho izao avao tsika lahy.