FAMPAHAFANTARANA AN’I LALAO ELINA RAZANADRIAKA.

Mpanoratra sady mpitantana ny trano famoaham-boky Mipariaka Boky.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanohanana sy fanomezan-danja ireo mpiantsehatra ao anatin’ny rohin’ny boky ny fanomezan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sehatra ho azy ireny amin’ny halalan’ireo asa tanterahin’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara.

I Lalao-Elina Razanadriaka : 35 taona nanoratana, 17 taona niantseharana, 8 taona nanapariahana, 20 volana namoaham-boky, no nomena sehatra ary nampahafantatra ny sangan’asany omaly.

Nandritra ny fihaonana dia nisy ny fitantaran-dRakemba ireo angano nosorantan’ny mpanoratra.

Nisy ihany koa ny fanolorana boky entina manatevina ny tahiry sy ny boky ho vakiana ao amin’ny Tranombokim-pirenena.