« SOATSIMANAMPIOVANA » (LES SOUVENIRS DE JEAN LABORDE) MANTASOA.

???????????? ?? ????? ???????-???????? ?? ??’?? ??????????? ?? ?? ??????? ??????? : FAMELOMA-MASO NY HARO « SOATSIMANAMPIOVANA » (LES SOUVENIRS DE JEAN LABORDE) MANTASOA.

Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zavanaorina sy ny toerana miavaka na ny « ??????? ?????????????? ??? ????????? ?? ??? ????? » izay fotoan-dehibe iombonan’i Madagasikara amin’ny firenena maro, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nanamarika izany tany Mantasoa tamin’ny alalan’ny fameloma-maso ny « HARO SOATSIMANAMPIOVANA », nisy ny asa fanavaozana na ny « restauration » nataon’ireo manam-pahaizana momba izany, nisy kosa ny « ???ℕ???ℝ? niombonana nikojakojana ny manodidina notarihin-dRamatoa Minisitra ????????? ℝ????????????? ?ℕ?ℝ????ℕ??ℝ??? niaraka amin’ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Minisitera, teo ihany koa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao an-tanàna niaraka tamin’ireo fikambanana ary ny vahoaka ao an-toerana.

Nisy ihany koa ny fametrahana ireo takelaka hazo miisa 5 manaraka ny fenitra ara-pizahantany ho fampahafantarana sy fanazavana ny singa ao anatin’ny Haro Soatsimanampiovana.

?????????????????? :

Ny fitambaran’ireo toerana rehetra mahakasika an’i Jean Laborde nampitondraina teo aloha ny anarana vahiny hoe « souvenirs de Jean Laborde » satria nipetrahany, niainany, niasany ary nandevenana azy no nosalorantsika ny anarana hoe « ℍ??? ?????????????????? ».

Io « Soatsimanampiovana » io no anarana malagasy nomen’i ???? ??????? io toerana io fahiny izay misy ny :

* Mozea Jean Laborde

* Afo mahery na ny ???? ????????

* Fatana hanamafisana ny vohon’ny vy na ny ???? à ????????

* Fasan’i Jean laborde

* Dobo fandroan’ny Mpanjakavavy Ranavalona I

* Tohatohambaton-dRanavalona I

Ity « Haro Soatsimanampiovana » ity dia efa harembako-pirenena nanomboka ny taona 1978.

Hita taratra izao fa miha-miroso hatrany amin’ny dingana ambony kokoa isika eto Madagasikara amin’ny sehatry ny fanomezan-danja ny kolontsaina ary tafiditra ao anatin’izany ny harembakoka mba ho fanoitry ny fampandrosoana.

Tanjona ny hisintomana mpizahantany bebe kokoa vahiny fa indrindra Malagasy mitodika amin’ny tantaram-pirenena mitia ny harembakoka.