??? -ℝℕ? ??ℝ??ℕ????ℝ? NAHAZO FITAOVANA VAOVAO SY MAODERINA

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny delegasiona tarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO any Maroantsetra ny fanolorana ireo karazana fitaovana samihafa entina manatsara ny kalitaon’ny tolotra omen’ny TVM sy ny RNM any an-toerana.

Tahaka ny efa natao tany amin’ny Faritra maro, tsy nanadino an’i Maroantsetra amin’ny fampisitrahana fitaovana manaram-penitra sy arifomba tahaka izao ny Minisitera mpiahy.

Fitaovana vaovao, manaraka ny fivoaran’ny teknolojia moderina no natolotra tamin’izany toy ny émetteur fahitalavitra, izay tsy ho ela dia hiasa satria efa any na-toerana ireo teknisiana amin’ny fametahana izany, ?é??????? ?????, ????????, ??????, ??????? ???, ????? ?? ?????? ?????, moniteur vidéo, ??????????, ??????? ????, ??????????.

Manomboka izao dia afaka ma ao famokarana fandaharana anatiny (émission locale) ny haino aman-jerim-panjakana ao Maroantsetra, amin’ny alalan’ireto fitaovana vaovao ireto.

Nanantitrantitra hatrany Ramatoa Minisitra nandritra ny fanolorana ireo fitaovana ireo ho an’ireo mpiara-miasa, ny mba tokony hanajana sy hikolokoloana izany amin’ny maha fananam-panjaka azy.

Tsiahivina hatrany fa tafiditra rahateo ao anatin’ny fanamby apetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fijerena ny fomba rehetra hanampiana ireo haino aman-jerim-pirenena manerana ny Nosy.