TAGNAMARO AMBATOFINANDRAHANA.

Omaly Sabotsy 23 Aprily 2022 no nanatanteraka ny Tagnamaro ny taty Ambatofinandrahana ka fanadiovana ny manodidina ny résidence n’ny district no nanamarihana izany.

Nandray anjara avokoa ireo sampandraharam-panjakana rehetra notarihin’ny lehiben’ny Distrik’Ambatofinandrahana.

Ny delegasionan’ny serasera sy ny kolontsaina hatrany moa no mandrindra ny hetsika.

Nisongadina tamin’izany ny fandraisana anjaran’ireo Skoto avy ao amin’ny FLM Ambatofinandrahana.