???ℕ’?ℕ??ℝ??ℝ?

?ℝ?ℕ???ℕ’ℕ? ??ℝ???ℝ? ?? ℕ? ????ℕ????ℕ? ℍ? ?ℕ’ℕ? ??ℝ??ℝ? ????ℕ?ℕ??ℝ??ℝ? : ℕ?????ℕ?ℕ’? ????ℍ?ℕ’ℕ? ℝ?ℙ??????.

« ???ℕ’?ℕ??ℝ??ℝ? » : io no anarana nampitondraina ity Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Antsirabe izay notokanan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ????? ℝ??????ℕ? sy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ????????? ℝ????????????? ?ℕ?ℝ????ℕ??ℝ???.

Ity no Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao fahadimy nosokafana tato anatin’ny herintaona.

Mitovy tanteraka amin’ny firafitry ny tao-trano any amin’ireo natsangana any amin’ny faritra samihafa ity eto amin’ny faritra Vakinankaratra ity :

Misy ny efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerena horonan-tsary mahazaka olona 550 mipetraka, miaraka amin’ireo fitaovana raitra izay fanomezan’ny Filoham-pirenena ho an’ireo artista.

« ?????????? ????????? » no anarana nomena io efitrano lehibe io noho ny lanjan’izany gadon-kira mampiavaka ny faritra Vakinankaratra izany.

Misy ihany koa ny efitrano fanaovana fampisehoana mivelatra (????? ?’??????????)

Toeram-pamakiam-boky (????????è???) izay rantsan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara

Efitrano fanaovana informatique (????? ????????????)

Misy efitrano fivoriana na fiofanana na fanaovana valan-dresaka

Misy efitrano ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety

Misy efitrano ho an’ny fikambanan’ny mpanakanto.

Zava-dehibe ny fampiroboroboana ny ??????????? sy ny ???????? amin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitrasa goavana tahaka izao, hoy ny Filoha Andry RAJOELINA.

Nitodika manokana tamin-dRamatoa Minisitra ny Filoha ary nankasitraka azy sy ny fahaizany mitarika ny ekipa mpiara-miasa aminy.

Nankasitraka manokana ny asa sy ny ezaka napetraky ny ???????????’?? ???????? ?? ?? ???????????, tarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO ihany koa ny Filoha, amin’ny finiavana apetrany hanatrarana ny veliranon’ny fampandrosoana.