ℍ??? ?’?ℕ??ℝ?????ℕ ?ℕ???ℝ???

ℕ???ℕ? ?ℕ?ℝ??? ??? ????ℕ’ℕ? ?????ℕ’ℕ? ???ℕ???ℝ? ??ℕ???ℕ? ?ℕ?ℝ??ℕ?

Nahavelom-bolo ny fahamaroan’ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika ????????? manokana notanterahina tao Antsirabe androany Sabotsy 30 Avrily 2022.

Nosafidiana nanatanterahana izany ny ivo-toerana misy ny ???? ?’??????????? ao an-tampon-tanànan’Antsirabe, izay ahitana trano famakiam-boky (bibliothèque) sy foibena onjam-peo iray (station radio), ankoatra ireo efitrano ambiny izay mbola afaka ampiasaina.

Betsaka ny asa natao nifandrimbonan’ireo mpandray anjara tamin’ity ????????? ity.

Isan’izany ny fanoloana ny fitaratra vaky rehetra tamin’ny trano, fanamafisana ny tafo, fanamboarana ny fivoahan’ny rano, fanoloana ny fitaratra 16 sy ny « grillage » eo amin’ny toerana fanaovana peta-drindrina, fandokoana ny vata-trano anatiny sy ivelany, ankoatra ireo pitsopitsony samihafa.

Nandray anjara tamin’ity ????????? manokana tao Antsirabe ity ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina foibe, ireo Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina avy amin’ny faritra hafa, ny teo anivon’ny Polisim-pirenena sy zandarimariam-pirenena, ireo mpianatra ho polisy, ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, ireo mpianatry ny Centre Universitaire Régional.

Nanome tànana tamin’ny fanaingoana tamin’ny alalan’ny kisary « graffitis » ny fikambanan’ny artista ao Vakinankaratra.

Tena tafapaka amin’ny vahoakan’Antsirabe ny lalan-tsain’ny Tagnamaro raha ny fahamaroan’ireo mpandray anjara androany.