HIARA-HIASA NY FAHITALAVI-PIRENENA MALAGASY, TVM, SY NY FAHITALAVI-PIRENENA INDIANINA, PRASAR BHARATI

Tontosa androany tetsy amin’ny foiben’ny ?ℝ?? ????? ny lanonana fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny ???????????? ????????? nosoloin’ny Masoivohon’i Inde eto Madagasikara tena, ??? ????? ????ℝ sy ny ???????????? ???????? tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny ORTM, Jean Yves BELALAHY. Fifanarahana izay hiompana amin’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fahitalavitra nasionaly Indianina, Prasar Bharati, sy ny Televiziona Malagasy.

Voafaritra ao anatin’izany ny ahafahana mifanakalo fandaharana amin’ny alalan’ny famokarana anatiny (?????????? ???????), eo ihany koa ny ahafahana mamokatra fandaharana miaraka (??-??????????) ary farany ny ahafahana mandefa mpiasan’ny TVM hiofana any Inde.

Zava-dehibe ny fisiana fiaraha-miasa tahaka izao hanatsarana hatrany ny tolotry ny haino aman-jerim-pirenena, hoy ny Tale jeneralin’ny ?ℝ??. Hihatra avy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta aorian’izao fifanaovan-tsonia izao.