VELAKEVITRA MOMBA NY HAISORATRA TAO AMIN’NY TRANOMBOKIM-PIRENENA ANOSY.

Notanterahana teto amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny velakevitra momba ny haisoratra izay nokarakarain’ny Tranombokim-pirenena sy ny Faribolana Sandratra.

Loha-hevitra roa no noentina tamin’izany:

« LAHABOLANA AM-BAVA : Sôvaramita, sôvan’ny afovoan-tany » izay novelabelarin’i Ra-Phi.

Nolazainy tamin’izany ny maha lahabolana mirindra ny sôva.

I Tsy Avahana kosa no namelabelatra ny lohahevitra hoe : « IREO KARAZANA SARIN-TENY AO AMIN’NY TONONKALO ».

Nolazainy tamin’izany kosa fa ireo kazana sarin-teny hita ao amin’ny tononkalo no maha kanto ny tononkalo.

Lohahevitra hafa indray no arahana amin’ny velakevitra izay tanterahana ny alarobia faharoa amin’ny volana manaraka.