Ho fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », ny volana Jona 2022. Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) dia hikarakara :

FIFANINANAM-PIRENENA HO AN’NY LITERATIORA AN-TSORATRA MALAGASY

Toy izao manaraka izao ny FITSIPIKA MIFEHY NY FIFANINANANA

Tanjona:
>> Tanjona amin’izany ny fampiroboroboana, fanomezan-danja, fanandratana, fiarovana ny teny malagasy an-tsoratra eo amin’ny sehatry ny literatiora malagasy.
>>  Famohazana ny mason-tsain’ny Malagasy manontolo amin’ny maha zava-dehibe ny teny malagasy.
>> Fampitana sy famolavolana ny sain’ireo taranaka fara aman-dimby ny lanjan’ny teny
malagasy ary hanentanana azy ireo hikajy sy hampiasa izany.

  1. ANDININY VOALOHANY : fanolorana

1-1  Ny lohahevitry ny Asa Soratra hifaninanana dia mikasika ny : « Iray Ihany Isika na
Tagnamaro na Asa sy Ezaka ».
1-2  Ny antso ho amin’ny fifaninanana dia natokana ho an’ireto sokajy an-tsoratra
mikasika ny literatiora ireto:
… Tantara foronina
… Sombin-tantara
… Amboarana tononkalo

2. ANDININY FAHAROA: Fepetra fandraisana anjara amin’ny fifaninanana

2-1 Misokatra ho an’ny Faritra 23 ny fandraisana anjara.
2-2 Ny olombelona 15 taona no ho mihoatra dia mahazo mandray anjara.
2-3 Ny ankohonana sy ny fianakavian’ny mpitsara dia tsy mahazo mampiditra asa soratra
hifaninana.
2-4 Ny mpifaninana dia tsy maintsy milaza ny momba azy mazava ara-dalàna, ampiarahina amin’ny fanaovan-tsonia ny fanekena ny fepetra mifehy ny fifaninanana, izay alaina ao amin’ny pejy facebook Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina na ao amin’ny
tranokalam-pifandraisana: www.mcc-gov.mg na koa eny anivon’ny biraon’ny Fitaleavamparitrin’ny MSK manerana ny Nosy na ao amin’ny Tranombokim-pirenena
Anosy, varavarana A 309.

3. ANDININY FAHATELO: Fepetra fanolorana ny asa soratra

3-1 Antontan-taratasy fisoratana anarana iray, mizàka Asa Soratra iray.
3-2 Soratana ao amin’ny pejy fiandry ny Asa Soratra nosafidina (tantara foronina, sombintantara, amboarana angano, amboarana tononkalo).
3-3 Ny asa soratra dia tokony ho 20 pejy farafahakeliny ary 40 pejy farafahabetsany.
3-4 Teny malagasy ofisialy no handrafetana ny asa soratra.
3-5 Ny Asa Soratra dia tsy maintsy an’ny tena manokana, vaovao, tsy mbola natolotra
tamin’ny fifaninanana teo aloha, tsy mbola nivoaka boky ary mampisongadina ny iray
amin’ireo lohahevitra naroson’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
3-6 Fadina ny mametraka marika hamantarana ny asa soratra, ny tsy fanajana izany dia
miteraka fanintsanana avy hatrany ny mpifaninana.
3-7 Tokony hokajiana koa ireto zavatra manaraka ireto:
… Asa soratra miisa iray (01) ho an’ny olona iray no alefa.
… Apetraka eny ambany ny isan’ny takelaka.
… Format word ary “Times new roman” no anehoana ny endriky ny asasoratra ary 11 ny“Police”na ny halehiben’ny soratra safidiana anaty solosaina. 1,5 ny “interligne”na ny elanelana amin’ny fidinana an-dalana. 2,5 ny ambony sy ambany ary ny havia sy havanana amin’ny “marge” na sisintakelaka.
… Soratan’ny mpanoratra eny amin’ny fonon’ny boky ny lohatenin’ny Asa Soratra.
Rehefa voarafitra manontolo ny asa soratra dia atao format PDF.

4. ANDININY FAHEFATRA: Tetiandro

4-1 Azo alaina ao amin’ny pejy facebook Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ao
amin’ny tranokalam-pifandraisana: www.mcc-gov.mg ary eny anivon’ny biraon’ny
Fitaleavamparitrin’ny MSK manerana ny Nosy ny taratasy fenoina amin’ny fisoratana
anarana manomboka ny 14 Aprily 2022.
4-2 Misokatra ny 26 Aprily ny fanaterana ny asa soratra ary mifarana ny 03 Jona.
4-3 Rehefa feno ny taratasy fisoratana anarana amin’ny taratasy A4 nalaina tao amin’ny pejy facebook Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia arotsaka anaty valopy kely
mitokana ary akatona tsara. Aza hadinoina ny manamarika ny karazana asa soratra
nosafidiana, miaraka amin’ny lohatenin’ilay asa soratra.
4-4 Ataovy sora-tanana anaty taratasy mitokana ny fanekenao ny fitsipika mifehy ny
fifaninanana sy ny fanekenao ny fanapahan-kevitry ny mpitsara miaraka amin’ny anarana
feno, daty ary ny sonia.
4-4 Arotsaka anaty valopy lehibe ireo valopy kely roa ampiarahana amin’ny taratasy mirakitra ny asa soratra.
4-5 Ny antontan-taratasy fandraisana anjara dia aterina mivantana eny anivon’ny fitaleavamparitrin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina manerana ny faritra 23.
NA
>> Alefa amin’ny alalan’ny pejy facebook Minisiteran’ny Serasera sy ny
Kolontsaina
NA
>> Alefa amin’ny tranokalam-pifandraisana: www.mcc-gov.mg
NA
>> Aterina mivantana ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, varavarana A
309
NA
>> Alefa amin’ny alalan’ny adiresy mailaka: MSKlokahaisoratra@gmail.com.
4-6 Ny volana Jona anatin’ny iray volana fankalazana ny teny malagasy no hanatanterahana ny fizarana ny loka ho an’ireo asa soratra mendrika indrindra.

5. ANDININY FAHADIMY: Mikasika ny lohahevitra, ny zon’ny mpamorona ary ny
fampiasana ny asa soratra.

5-1 Tafiditra anaty mason-tsivana hitsarana ny asa soratra ny fifamatoran’ny asa soratra amin’ny lohahevitra naroson’ny Minisitera: mikasika ny“ TAGNAMARO na ASA SY EZAKA na
IRAY IHANY ISIKA”; ny tsipelina ary ny fifehezana ny kanto anaty literatiora.
5-2 Ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana dia midika fa nekena avy hatrany ireo fepetra mifehy ny fifaninanana.
5-3 Ny mpifaninana dia miantoka amin’ny fomba rehetra fa asa soratra vaovao (tsy nalaina
tahaka, azy manokana) no natolony.
5-4 Ny asa soratra rehetra nandresy tamin’ny fifaninanana dia mitondra ny “LOGO” na ny maripamantaran’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
5-5 Mijanona ho tompon’ny asa soratra ireo mpifaninana voasafidy, fa azon’ny Minisitera
ampiasaina amin’ny endriny rehetra ny asasoratra.

6. ANDININY FAHENINA: Ireo vondron’ny mpitsara

6-1 Solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
6-2 Akademisianina
6-3 Mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
6-4 Mpampianatra avy eny amin’ny Lisea

7. ANDININY FAHAFITO: Loka ho an’ireo mendrika indrindra.

7-1 Fanontana boky miisa zato (100) isakin’ny sokajy hifaninanana.
7-2 Fanomezana lelavola
7-3 Fanolorana mari-pankasitrahana.

 

Télécharger >>>