Ny FIELEZAN’NY VAOVAO TSY MARINA

FIATREHANA NY FANELEZANA VAOVAO TSY MARIM-POTOTRA NA KOA NINIANA NODISOINA : MPANAO GAZETY 80 MIKAON-DOHA ETSY AMIN’NY TRANOMBOKIM-PIRENENA NY 19 SY NY 20 MAI 2022.

Ny fielezan’ny vaovao tsy marina sy ny fanapariahana vaovao niniana nodisoana ankehitriny no tena mamotika ny demokrasia sy mamono ny fahalalahana miteny, mandinika ary manao gazety » hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo androany nandritry ny andro voalohany amin’ny fikaonan-doha handinihina ny fomba hiatrehana ny fanelezana vaovao tsy marina, izay tanterahina etsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Anosy mandritry ny roa andro ary nanomboka androany 19 mai 2022.

Ny fahitana ny firongatry ny fielezana vaovao tsy marina (fausse information) sy ny fanapariahana vaovao niniana nodisoina (information délibérément manipulée) eny amin’ny fiaraha-monina, fa indrindra amin’ny tambazotran-tserasera, izay hita fa tena manimba ny fiaraha-monina misy antsika no nanosika ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, ny vondron’ireo orinasa an-gazety sy haino aman-jery na ny « Groupement des Editeurs de Presse d’Information et de Multimédia de Madagascar », ary ny fikambanana « Actions medias francophones » nifanolo-tanana nikarakara ity fikaonan-doha ity.

Handraisana tompon’andraikitra voalohany amin’ny orinasa fanaovan-gazety, manampahaizana manokana momba ny asa fanaovan-gazety, mpanao gazety ary mpianatra ho mpanao gazety manodidina 80 anjara, ary handinihina miaraka izay tokony hatao hiatrehana fanelezana vaovao tsy marina izany ity fikaonan-doha ity.

« Vao maika nampirongatra ny fielezan’ny vaovao tsy mari-pototra sy ireo vaovao izay niniana disoina ny firoborobon’ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisan-davitra » hoy hatrany ny Minisitra, izay nanamafy nandritry ity andro voalohany amin’ny fikaonan-doha ity, ny maha-zava-dehibe ny fanajan’ny mpanao gazety ireo fitsipika fototry ny asa, toy ny fanamarinam-baovao (vérification), ny fanajana ny tranga (respect des faits), ary ny fanitsiana ny vaovao raha toa ka voamarina fa nisy fahadisona (rectification des informations erronées).

« Izao vanim-potoana misy antsika izao indrindra » hoy Ramatoa Minisitra no « tena ilana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety matihanina ».

Nohamafisin-dRamatoa Minisitra koa fa tsy midika ho gaboraraka ny fahalalahana ary ny lalana manan-kery dia efa mamaritra izay sazy mifandraikitra amin’izay mety ho fanahy iniana manaparitaka vaovao tsy marina.

Ankoatra ireo manam-pahaizana malagasy, dia ahitana manam-pahaizana vahiny ihany koa mitondra tantsoroka sy mizara traik’efa mandritra ity fikaonan-doha ity.