TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY. DISTRIKA FIANARANTSOA I

Ny fanadiovana ny tontolo manodidina ny toerana manan-tantara  » Rovan’ny Fianarantsoa – Tanàna Ambony  » izay mitahiry ny ireo tanàna tranainy sy ny Vakoka ary ireo tantara mampiavaka an’ny Fianarantsoa, no nanatontosana ny Tagnamaro andron’ny Olom-pirenena volana May 2022 tamin’ity andron’ny Sabotsy 21 May 2022 maraina ity.

Nizara telo ny hetsika Tagnamaro miendrika fanadiovana eto, dia ny manodidina ny tsena sy ny CSB II ao antsenakely ary ny lobolobo manodidina ny Rovan’ny Fianarantsoa Tanàna Ambony.

Tonga maro ny ireo olona nasaina teo anivon’ ireo Sampan-draharaham-panjakàna sivily sy miaramila misy eo an-toerana, ka ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony no nitarika ny hetsika Tagnamaro natao.

Isany tonga nandray anjara ihany koa, ireo Fikambanana Mpilatsaka an-tsitra-po maro teo an-toerana, izay notronon’ireo mponina ao anatin’ny Fokontany manodidina ilay toerana manan-tantara (Fokontany Rova sy ny Fokontany Ambodiharana).