« ???’?ℝ?, ??? ℕ??????? ????????? ?? ?????????? »

ℕ??????????????? ?? ??????? ???????? ?????’?? ????? ???????? ???? ??????????????.

Mozika sy hira fiantsa teny an-dRova sy tao amin’ny lapan’ny Mpanjaka fahizay ankoatra ny sangan’asan’ireo mpanakanto malagasy manana ny lazany no novelomina nentina nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Orkesitra Nasionalin’i Madagasikara, « ???’???, ??? ???????? ????????? ?? ?????????? » tamin’ny vahoaka Malagasy.

Fampisehoana izay teo ambany fiahiana avon’ny ???????’?? ℝ???????? ????? ℝ??????ℕ?.

Tsiahivina ihany fa sambany ary voalohany eo amin’ny tantara no hanana ny ?rkestra ?asionaly ?alagasy voalohany i Madagasikara na teo aza ireo Orkesitra samihafa niforona isam-piangonana.

Tany amin’ny taona ???? sy ???? isika no nanana vondrona mpiangaly mozika marolafy kanefa tsy ampy ny fepetra mba hamadihana izany ho lasa Orkestra iray mihitsy.

80 mianadahy no mandrafitra ny ???’?ℝ?, ??? ℕ??????? ????????? ?? ??????????; mpikambana izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy avokoa.

Misy amin’izy ireo no efa nilona tao anatin’ny filalaovana mozika efa ela, misy koa ireo manam-piniavana ny hisehatra amin’ny mozika izay voaantso handrafitra ny Orkestra.

Nahazo ary nanaraka fiofanana matianina tao amin’ny Akademia nasionalin’ny ????-????? sy ny ??????????? na ny ?ℕ?ℂ avokoa izy ireo, nialohan’ny nananganana ny mpikambana.

Nambaran-?ℝ?????? ????????? ????????? ℝ????????????? ?ℕ?ℝ????ℕ??ℝ??? nandritra ny lahateny nentiny nampahafantarana ny Orkesitra Nasionalin’i Madagasikara fa hisolo tena ny firenena Malagasy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny ???’?ℝ?, ??? ℕ??????? ????????? ?? ?????????? mba tena hanamarika tokoa ny fiizina ara-kolontsain’ny firenena (identité culturelle).

Nankasitraka manokana ny Filohan’ny Repoblika Ramatoa Minisitra tamin’ny fankatoavana ny fananganana ny Orkesitra Nasionaly Malagasy, nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo.

Miroso hatrany amin’ny fanatanterahana ny velirano faha-? sy ny faha-??, mamaritra ny tanjona amin’ny fampandrosoana ny lafiny Kolontsaina ny ???????????’?? ???????? ?? ?? ???????????.