FILANKEVITRY NY MINISITRA NY ALAROBIA 25 MAY 2022

Nanome ireo toromarika fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fiarovana ny fananan-tany ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao androany 25 may 2022.

Toromarika izay natao mba hanatanterahana ny « Velirano » mikasika ny fanamafisana ny fanapariaham-pahefana sy ny fiarovana ny fitantanana ny fananan-tany na dia efa maro tokoa ny ezaka vita sy notanterahana teo anivon’ny Governemanta, nefa mbola betsaka ihany koa ny tsy vita sy ny miandry, hahatratrana io tanjona io.

Teo ihany koa ny fankatoavana ireo fampitana am-bava samihafa toy ny:

• fankatoavana ny drafitr’asa fampiharana ireo tolo-kevitry ny Fitsarana momba ny Kaonty, izay mifandraika amin’ireo fandaniana natao tamin’ny ady amin’ny valan’aretina Covid 19.

• fankatoavana ny handraisan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fandraisana anjara ny Governemanta malagasy amin’ny « Nouveau Modèle de Financement » (NMF3) an’ny « Fonds Mondial »

Afaka tsidihina amin’ity rohy manaraka ity, izany tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny datin’ny 25 may 2022 izany:

https://www.presidence.gov.mg/…/conseil-des-ministres.html