TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA

Fanadiovana ny zaridaina misy ny tsangambaton’ny 12 Janvier officiers supérieurs sy ny arabe mampitohy ny Toby Miaramila RAVELOSON MAHASAMPO sy ny LAPAN’NY FITSARANA no nanamarihana ny TAGNAMARO ny Asabotsy faha 21 May 2022, hoan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ato Atsimo-Andrefana, niarahana tamin’ireo Mpitandro filaminana sy ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana eto Toliara.

Izany no natao mba ho fanatanterahana ny asa soa iombonana ho an’ny rehetra.