TAGNAMARO AMBATOFINANDRAHANA

Nadio tao anatin’ny ora roa monja ny tanan’Ambatofinandrahana vokatry ny TAGNAMARO manokana niarahana tamin’ireo herivelona rehetra tany antoerana sy ny mpira-miasa eto amin’ny Drcc Amoron’i Mania.

Nifanome tanana niantoka ny loko nahafahana nandoko ny Gradin ao amin’ny Kianjan’Ampanaovapoara ny filohan’ny Antenimirampirempirenena RAZANAMAHASOA christine, ao amin’io Kianja io no hanatanterahana ny fetim-pirenena amin’ny 26 Jona izao!