« IVOTORO » MSK | NAHAZO NY « PRIX DE L’INNOVATION DANS LA FONCTION PUBLIQUE »

« ?????ℝ? » ??? | Nahazo ny « ???? ?? ?’?????????? ???? ?? ???????? ???????? » nandritra ny andro afrikana ho an’ny asam-panjakana.

Noho ny fanavaozana goavana nentiny teo amin’ny raharaham-panjakana dia notoloran’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampanan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana sosialy sy ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara ny « ???? ?? ?’?????????? ???? ?? ???????? ???????? » ny Ivon’ny Torohay na ?????ℝ?, izay fitaleavana iray eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Natolotra nandritra ny fankalazana ny andro afrikana ho an’ny asam-panjakana (?????é? ????????? ?? ?? ???????? ????????) androany teny amin’ny biraon’ny minisitera misahana ny asam-panjakana ny loka, tamin’ny alalan-dRamatoa minisitry ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy, sy Ramatoa solotena manokan’ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara.

Tsiahivina fa « ???? ?????? » miankina amin’ny fanjakana ny ?????ℝ?, na ny Ivon’ny Torohay, ka ny hanampy sy hanoro ny olom-pirenena amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana no tena antom-pisiany.

Ny laharana tokana « ??? » no napetraky ny Ivotoro mba hiantsoan’ny olom-pirenena maniry hahazo toro-lalana, ka ankoatra ny fanamezana azy ireo ny karazana antontan-taratasy ilaina amin’izay sampandraharaha tiany handehanana, dia atoro azy ihany koa ny varavarana aleha sy ny sarany tokony aloha ary ny faharetan’ny fikarakarana ny taratasim-panjakana tadiaviny.

Izany dia natao hiadiana ihany koa amin’ny kolikoly any anaty raharaham-panjakana.

Tao anatin’ny ?? ?????? nisokafany dia efa nahatratra 100000 latsaka kely ny antso fangatahana torohay sy fanazavana noraisin’ny ekipan’ny IVOTORO.

Eo anelanelan’ny 400 hatramin’ny 600 isan’andro izany, ka raharaham-panjakana manodidina ny ? eo no be mpanontany indrindra, isan’izany ny resaka fananan-tany.

Ny ?????ℝ? dia tafiditra amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika mifantoka amin’ny fampanakaikezana ny sampan-draharaham-panjakana amin’ny olom-pirenena, ny fanjakana tsara tantana hampanjariana ny ady amin’ny kolikoly, fa indrindra ny fampisitrahana ny zo hahazo torohay ny olom-pirenena tsy ankanavaka.

Tsy ho ela dia hisokatra koa ny tranonkalan’ny Ivotoro izay niarahana niasa tamin’ny ℂ?? na ny ℂ???té ???? ?? ?????????? ?? ?’???é????é ary miroso amin’ny fanitarana ny Ivotoro makany amin’ny faritra ihany koa ny minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ankehitriny. Faritra miisa ? no hanombohana izany.

Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ????????? ℝ?????ℕ?ℝ?ℤ??? ?ℕ?ℝ????ℕ??ℝ??? no nandray ny mari-pankasitrahana « ???? ?? ?’?????????? », ary natolony ho an’ireo mpiara-miasa ao amin’ny ?????ℝ?, dia ny Tale Jeneralin’ny Serasera, ny Talen’ny Ivotoro ary ny ekipa miisa ?? mianadahy, ny fahazoana ny loka ho fankasitrahana azy ireo noho ny ??? ?? ????? lehibe nataon’izy ireo hatramin’izay nitsanganan’ny ?????ℝ?.