FANOMBOHANA NY HETSIKA : IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO

VAROTRA FAMPIRANTIANA SARY HOSODOKO GOAVANA INDRINDRA

Mpanao hosodoko 140 no mandray anjara ary mampiranty ny sangan’asany mandritra ny hetsika Iray volan’ny sary hosodoko izay natomboka androany eto Antananarivo sy any amin’ny faritra miisa 20 manerana an’i Madagasikara.

Ho an’Antananarivo manokana dia 50 ireo mpanakanto mpanao hosodoko izay mandray anjara amin’ity andiany voalohany karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity, mba hanosehana azy ireo hampafantatra ny sanganasany sy hifanena amin’ny mpanjifa izany.

Miranty manerana ny fefy rehetra manodidina ny zaridaina etsy amin’ny Araben’ny fahaleovantena Analakely avokoa ireo sangan’asa ireo ka azon’ny daholobe tsidihina sy jifaina.

Toerana 9 samihafa raha ny eto an-drenivohitra manokana no hanaovana ny hetsika ankoatra ny etsy Analakely, isany ny ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ao amin’ny IVOKOLO Analakely, Tranombokim-pirenena Anosy, Trano Sary Ambohidahy, ny etsy IKM Antsahavola, CGM Analakely, ORTANA manoloana ny zaridaina Antaninarenina, Alliance Française Andavamamba, Jumbo Score Ankorondrano.

Nambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO fa anisan’ny tanjona kendrena amin’izao Iray volan’ny sary hosodoko izao ny hanampy ireo mpanan-talenta amin’io sehatra io mba ahafahan’izy ireo manitatra ny lalam-barotra sy ahafahany mivelona amin’ny talenta izay ananany.

Ny 12 jolay ka hatramin’ny 12 aogositra no faharetan’ny Iray Volan’ny Sary Hosodoko, manerana ny Nosy.

Herinandro no hiranty etsy Analakely ireo sanganasan’ny mpanakanto samihafa ary aorian’izay dia hifindrafindra amin’ireto toerana voatanisa tetsy ambony.

Ho an’ny any amin’ny faritra kosa dia hitantsika amin’ny sary ny fandaharam-potoana rehetra sy ireo artista mandray anjara, ary ezahina hozaraina eto avokoa izany mba hahitantsina ny talenta ny fahaizan’ny mpanao hosodoka manerana ny nosy.