IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra ITASY

Toy ireo faritra maro manerana an’i Madagasikara dia mandray anjara mavitrika amin’ny « Iray volan’ny sary hosodoko » ny aty amin’ny Faritra Itasy.

Teo amin’ny tokotany malalaka manoloana ny toby fivarotan-dasantsy Soavinandriana no nanaovana ny fanokafana izany omaly Talata 12 Jolay, ka anisan’ny nanamarika an’ity andro voalohany ny fanazavazavana sy fampahafantarana nataon’ireo mpanao sary hosodoko.

Sady nanao sary « portrait » an’ireo mpitsidika tonga teo an-toerana izay tena maro tokoa satria nahaliana ny olona ity hetsika.

03 ny mpanakanto mandray anjara omaly, fa mbola hiampy izany satria maromaro ireo efa nilaza fa ho avy hanatevin-daharana.