TAGNAMARO MANOKANA CLUB FANORO AMBATONDRAZAKA

Nanatanteraka hetsika TAGNAMARO manokana ny Club FANORO androany sabotsy 16 jolay 2022 teto Ambatondrazaka.

Fandokoana ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’Asa Alaotra Mangoro no natao tamin’izany.

.Nampiofanina sy nomena toromarika mikasika ny fandokoana ihany koa ireo mpikambana, ka hisy ny fizarana mari-pahaizana ho azy ireo.