IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra ALAOTRA MANGORO

Mandray anjara amin’ny hetsika  » Iray volan’ny sary hosodoko andiany voalohany » ihany koa ny ao Ambatondrazaka, Alaotra-Mangoro.

Toerana: ao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina MASINJARA.

Mpandray anjara: iray ihany hatreto dia i RATOVOSOA Gilbert na i « TOVO NEW ART CREATION » izay mipetraka ao Ambohimasina. « Peinture à l’huile sur le toile » avokoa ireo sangan’asa nasehony mandritra ny iray volana.

Fialan-tsasatra moa ny andro ka dia maro ireo mpitsidika, indrindra fa ny mpianatra sy ny tanora.

Fanamby hapetraky ny Fitaleavam-Paritry ny Serasera sy Kolontsaina aty an-toerana ny hitily sy hampivondroba ireo maban-talenta rehetra amin’ny sary hosodoko.