TAGNAMARO SAINTE MARIE

Taorian’ny fivorian’ireo Chef FKT 17 teto Sainte Marie dia nifanapaka fa isaky ny 26 ny volana Dia hanao tagnamaro hifantoka amin’ny fanadiovana ny Fokontany ka teto Bazarikely no nanombohana izany teto Ambodifotatra ,ary fanadiovana Plage ny tao Agniribe .

Ny Commune Urbaine no niara nisalahy tamin’ireo mpivarotra teto Bazarikely niaraka tamin’ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Sainte Marie, teo ihany koa ireo mpitandro filaminana ny tafika 302 , chef carreau , Ireo Lefitry ny Ben’ny Tànana Telo miampy ireo mponina mahatsapa ny filàna madio ny tsena misy sakafo hoanina andavannadro.

Tafita eto Sainte Marie ny fisian’ny Tagnamaro ary mbola maro ireo fandaharam- potoana ho hisy aorian’izao.