FAMPITAOVANA VAOVAO NY RNM SY TVM AO ANOSIBE AN’ALA

Tonga tao Anosibe an’Ala ny Alatsinainy 01 Aogositra ireo fitaovana vaovao avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina (fitaovana vaovao toy ny Émetteur TV, câble de descente sy ny antenne radio vaovao).

Anisan’ny natao laharam-pahamehana ny fampitaovana an’ity Distrika anatin’ny Faritra Alaotra-Mangoro ity, izay vokatra azo tsapain-tanana sahady avy tamin’ny fihaonan-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO sy ireo olom-boafidy notarihin’ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara lany tao Anosibe An’ Ala.

Marihina fa efa iray taona sy tapany izay no simba ny fitaovam-pifandraisana noho izy ireo tsizarizary sy efa antitra, ka nitondra fahatapahan’ny fampitam-baovao ary nampitaraina ny mponina any an-toerana nandritra ny fotoana ela.

Ankehitriny, voavaha izany olana izany satria efa tonga ary efa voapetraka ny fitaovana.

Velom-pisaorana ny tompon’andraikitra sy vahoaka any satria afaka misitraka ny fandaharana maro samy hafa eo amin’ny RNM sy TVM indray.