ADY AMIN’NY HOSOKA SY FIAROVANA NY HAREM-BAKOKA.

HIARA-HIASA AMIN’NY “INTERPOL” NY “BRIGADE ANTI-PIRATAGE” (BAP) ARY HAMETRAKA RANTSANA ANY AMIN’NY FARITRA

Manomboka izao dia hiara-hiasa amin’ny “INTERPOL” ny “BRIGADE ANTI-PIRATAGE” (BAP), izay antokon-draharaha eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina mba hanamafisana ny ady atao amin’ny hosoka sy ho fiarovana misimisy kokoa ny harem-bakoka.

Hampiasa ny rindram-baikon’ny Interpol manomboka izao ny ekipan’ny BAP hanamora ny fakarohana ireo vakoka very toy ilay satro-boninahitry ny mpanjaka RANAVALONA III izay nisy nangalatra tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra taona vitsy lasa izay.

Ny 09 Aogositra 2022 nandritry ny lanonam-pankalazana ny faha 10 taona nijoroan’ny BAP izay notanterahina tetsy amin’ny Kianja BAREA no nanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa mifandraika amin’izany.

Mifanindran-dalana amin’izay, ho fanohizana ny ady atao amin’ny hosoko, dia ezaka manaraka ataon’ny Brigade Anti-Piratage ny fametrahana rantsa-mangaika eny anivon’ny faritra sy ny distrika manerana ny nosy.

Misy ny fiaraha-miasa matotra izay iarahan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina amin’ny Minisiteran’ny Filamim-bahoaka sy ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenana ahafahana manao izany.

Ny taona 2012 no nitsangana ny Brigade Anti-Piratage, izay natao indrindra hanenjika ny heloka mifandraika amin’ny fanaovana hosoka ny asa famoronana mifandraika amin’ny kanto sy ny fiarovana ireo harem-bakoka.

Hatramin’ny taona 2020 izay nanombohan’ny Minisisteran’ny Serasera sy Kolontsaina nitondra fanavaozana sy fanatsarana teo anivon’ny Brigade Anti-piratage dia:

Olona ati-doha sy mpanao hosoko 87 no efa voasambotra,

131.243 ny Kapila mangirana hosoka tratra sy nodorana,

274 ny boky dika mitovy izay tratra sy nodorana ihany koa.