TAGNAMARO SAINTE MARIE

Lalana manapaka mivoaka eny amin’ny Biraon’ny Cisco ,Gendarmerie ,Sekolin’ny Masera ao St Joseph sy ny Fonja eto Sainte Marie ity lalana mirefy eo amin’ny 500 m eo anatin’ny Quartier St Ignace FKT Ambodifotatra izay ratsy efa ela tsy ahitam- bahaolana hatreto.

Nanohy ny ezaka efa nataony ireo Fokonolona mipetraka eto tamin’ny alalan’ny Tagnamaro ny alahady teo ho fanatsarana izany.

Nisaotra ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izy ireo amin’ny fanaovana izao Hetsika Tagnamaro izao fa maro ny zavatra vitan’izany.