AKON’NY FAMARANANA NY IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO FARITRA ANALANJIROFO

Tontosa ny zoma 12 Aogositra ny famaranana ny 01 VOLAN’NY SARY HOSODOKO teto Fenoarivo Atsinanana, renivohitry ny Faritra Analanjirofo.

Iray volana katroka moa no naharetan’izany (12 jolay – 12 Aogositra).

Fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpanao nandray anjara ary koa ireo mpiara-miombonantoka moa no anisany namaranana izany tanreraka.

Ka sady nankasitraka ny Minisitera ny mpandray anjara, no nifamotoana sahady ny rehetra fa mbola handray anjara amin’ny andiany faharoa.