???ℕ???ℝ?, Aogositra ????

NAMALY NY ANTSO NY OLOM-PIRENENA MANERANA NY NOSY.

AMBOSITRA: fanaovana aro afo ireo zanankazo 15000 novolena tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo Amoron’i Mania tamin’ity taona 2022 ity no nifarimbonan’ny mpiasam-panjakana tety Ambositra nanamarihana ny TAGNAMARO volana Aogositra tao amin’ny « Domaine Forestier National (DFN) Ankazomivady, Fokontany Laimena Kaominina Ambalamanakana.

Fiaraha-miasa teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy sy ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Amoron’i Mania.

Nitarika izany tany antoerana ny Préfet Ambositra RAKOTOMALALA Richard nohotron’ireo mpiasam-panjakana maro ary ireo fokonolona ao amin’ny Fokontany Laimena.