TAGNAMARO TAO BEALANANA

Tao amin’ny kianja monisipaly Bealanana no indray nifampitaona ny olom-pirenena, nanantanteraka ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina isaky ny sabotsy fahatelo amin’ny volana.

Ny fanesorana ireo bozaka ratsy, izay tsy nahafahana nilalao baolina kitra no natao teto.

Amam-bolana maro tokoa mantsy no tsy afaka nandray fifaninanana ity kianja ity noho ny fambolena bozaka izay tsy nifanaraka tamin’ity kianja ity, ka niteraka sakana tsy nahafahana nampiasa ity kianja ity.

Navitrika aok’izany ny tanora namita ny adidiny ho tombontsoa iombonana.