TAGNAMARO TAO MANDRITSARA.

Atomotra tokoa ny fidiran’ny mpianatra.

Efa miomana amin’izany ny ray amandreny rehetra ao Mandritsara, ary mila omanina ihany koa ny toeram-pianarana sy ny tranon-tsekoly.

Teto dia indray nidina teny amin’ny tokotanin-tsekoly ireo ray amandren’ny mpianatra tao amin’ny fokontany Maraboaligny, kaominina ambanivohitra Ambalakirajy, nandritry ny Tagnamaro ny Sabotsy 20 Aogositra teo. Ny sekoly ambaratonga fototra no nosafidiana, ka asa fanadiovana ireo ahitra izay efa nameno ny tokotanin-tsekoly no natao teto.

Tanjona dia mba sekoly madio manodidina no ianaran’ny ankizy amin’izao fiatrehana ny taom-pianarana 2022-2023 ity.