LITERATIORA : NENTINA TETSY AMIN’NY TRANOMBOKIM-PIRENENA NY « TEATRA POETIKA »

Ny « Teatra poetika » indray no niaka-tsehatra tao amin’ny efitrano DOX ao amin’ny Tranombokim-pirenena ny alarobia 24 aogositra 2022 tolakandro.

I “Tolopanahy” no nitondra ny “Teatra poetika” nosoratany sy narindrany tao, izay nampitondrainy ny lohateny hoe « ANJARA ».

Nandritra izany koa no namoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky « FIAINANA IZANY » izay nosoratany sy ny DVD misy teatra poetika noforonony mitondra ny lohateny hoe « FOMFOM-PITIA ».

Nifanindran-dalana tamin’izay dia nandray ireo ankizy tezain’ny fikambanana GAZELA ihany koa ny ekipan’ny Tranombokim-pirenena.

Fitsidihana voalohany ny tranombokim-pirenena ho an’ireo ankizy ireo.

Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny alalan’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara etsy Anosy sy ireo rantsany eny anivon’ny tranoben’ny serasera sy kolontsaina manerana ny nosy ary ny CLAC, sy ireo toerana natao ho an’ny kolontsaina, dia tsy mitsahatra manokatra varavarana hiseharan’ny mpikalo ny teny sy soratra ary mampiroborobo ny boky sy ny vaky boky.