« SOATOAVINA »

« SOATOAVINA », fandaharana vokarin’ny Minisiteran’ny serasera sy kolontsaina isam-bolana, hanasongadinana ny maha malagasy.

Ny lohahevitra amin’ity volana ity dia milohateny hoe: «FOMBA AMAM-PANAO MANODIDINA NY FANAMBADIANA»

Faritra:Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Anosy

Harahinao:

– Ao amin’ny TVM ny Alahady 28 Aogositra amin’ny 8 ora alina

– Ao amin’ny RNM ny Alarobia 31 Aogositra amin’ny 8 ora sy sasany alina, ary ho hitanao ao amin’ny tranonkalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.