AKON’NY ???ℕ???ℝ?, Aogositra ????

TOAMASINA: Ho fiomanana amin’ny fidiran’ny mpianatra, dia ny Lisea Jacques RABEMANANJARA indray no nanatanterahina ny hetsika  » ???ℕ???ℝ? andron’ny olom-pirenena ny sabotsy faha 27 Aogositra 2022 teo ary ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana izay tarihin-dRamatoa Talem-paritra Aniella VOLOLONIAINA no nitarika izany .

Fanadiovana ny manodidina , fanantsarana ny zaridiana ary fandokoana ny lalantsara no niarahan’ireo olom-pirenena maro avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana nanatanteraka tamin’ny alalan’ny ???ℕ???ℝ?.

Mavitrika dia mavitrika ny fandraisana anjara an-tsitrapo nasehon’ireo olom-pirenana. Nahafoy tena sy mahafoy fotoana ho an’ity Lisea lehibe indrindra ato anatin’ny Faritra Atsinanana ity.

Isaorana ny Fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana, ny Lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana Toamasina1 ary ny Proviseur ny Lycée Jacques Rabemananjara tamin’ny fiara-miasa rehetra.

Nanome toky moa ity farany fa hanohy izao ???ℕ???ℝ? izao eto anivon’ity lisea lehibe, mba ho fitaizaina sy fanabeazana ireo mpianatra .

Manome fotoana antsika sahady amin’ny tagnamaro volana Septambra 2022.