TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Famaranana ny fanamboarana ny Aro-afo miaro ny faritrin’ny Jirama Ambalabako izay misy ny loharano mamatsy ny rano fisotro madio ny tanànan’Ambatondrazaka no natao tamin’izany.

Tagnamaro intelo nisesy tao anatin’ny telo volana vao nahavita tanteraka izany asa izany.

Nisy hatrany ny fanentanana nataon’ireo izay nandray ny fitenenana mba tsy handoro ala sy hiaro ny tontolo ainana, indrindra fa ity toerana ity izay efa nanatanterahana fambolen-kazo maro tamin’alalan’ny hetsika Tagnamaro sy ireo hetsika maro samihafa.