TAGNAMARO TOLIARA

Amin’izao fiatombohan’ny fidiran’ny mpianatra izao dia niompana bebe kokoa tamin’ny fanatsarana ny toerana hianaran’ireo ankizy mpianatra ny Tagnamaro tamin’ity volana septambra ity ka anisan’izany ity fanadiovana ny tokontanin’ny sekoly EPP Godwin’s MAHATSERIKY ity.

Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolotsaina Atsimo Andrefana hatrany no nitarika ny hetsika ka niara-nirona ny rehetra teto tamin’ny alalan’ny Tagnamaro nanala ny lobolobo sy ireo fako goavana izay tena anisany nanahirana. Nahitàna ny avy ao amin’ny mpitandro filaminana, ireo sampandraharaha isan-tsokajiny, ireo mpiara-miasa sy ireo fikambanana ary koa ny solon-tenan’ireo mpampianatra ato anatin’ity sekoly ity.
Amin’ny maha andron’ny olom-pirenena azy, ny tanjona dia mba ho tombon-tsoan’ny daholobe, ho fanatsarana ny tontolo misy an’ireo mpianatra mba hiaina ao anaty ny sekoly ara-pahasalamana mba hisian’ny fifantohana bebe kokoa amin’ny fianarana izay ataon’izy ireo ankizy mpianatra, indrindra ho fitaizana azy ireo ihany koa eo amin’ny fitandroana mandrakariva ny fahadioavana. Dia samy naneho izany avokoa ireo nandray anjara tao anain’ity hetsika ity ary nahitana vokatra tsara izany.

Koa tsy mitsahatra ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Atsimo Andrefana amin’ny fampisongadinana izay kolontsaina maha Malagasy izay amin’ny alalan’ity hetsika Tagnamaro, anatanterahana asa soa iombonana hoan’ny mpiara-belona ity.

Nanampy betsaka tamin’ny fanomeza fiara hanariana ireo fako ny avy ao amin’ny Kaomina ambonivohitry ny Toliara.