TETO ANTANANARIVO- BORIBORINTANY FAHAROA NO IVON’NY ???ℕ???ℝ? VOLANA SEPTAMBRA 2022

Efa ela nangataka fikarakarana ???ℕ???ℝ? ny teto amin’ny Boriborintany faharoa teto Antananarivo renivohitra, ka izany indrindra no nisafidianana ny teto ho ivon’izany asa fifanomezan-tànana eo amin’ny samy olom-pirenena izany anio Sabotsy 17 Septambra.

Ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra no nitarika izany.

Tetsy amin’ny biraon’ny Boriborintany faharoa sy ny biraon’ny Distrikan’Antananarivo faharoa etsy Ambanidia no nanatanterahana izany:

– Asa fototra fanatsarana ny ivelan’ireo birao,

– Asa fandokoana ny ivelany rehetra,

– Asa fanatsarana ny zaridaina sy ahi-maitso ka manome endrika vaovao an’ ity toerana,

– Fanadiovana faobe ny anatin’ireo birao sy efitra rehetra.

Tsara ny vokatra azo, satria tena niova endrika ny tontolo manodidina rehetra.

Izao vokatra tsara azo izao dia noho ny fahavitrihan’ireo tompon’andraikitra sy mpiasam-panjakana aty an-toerana izay tonga maro tokoa (mpiasan’ny Boriborintany, Polisim-pirenena sy polisy monisipaly, ny vondrona mpamono afo, ny solontenan’ny Solombavam-bahoaka voafidy taty an-toerana…) ary marihina fa niara-nientana ka tonga avokoa ireo Sefom-pokontany rehetra anatin’ity Boriborintany.

Maherin’ny 300 ireo nifanome tànana androany, ka ankasitrahina hatrany ny rehetra nitondra anjara biriky sy nanohana ara-pitaovana.

Isaorana ny fifanomezan-tànana, na ny teto Antananarivo izany, na ny tamin’ireo hetsika maro manerana ny nosy.