???ℕ???ℝ? VATOMANDRY (Atsinanana)

Fanatsarana ny endriky ny « Kianjan’ny Distrika » no niarahan’ireo olom-pirenena maro avy amin’ny sampandraharam-panjakana isan-tsokajiny sy fokonolona avy amin’ny Fokontany manodidina ary ny ekipan’ny Kaominina nanatanteraka, ny sabotsy faha telon’ity volana Septambra 2022 ity.

Eto amin’ity toerana ity matsy no ivon’ny fety sy lanonana ofisialy rehetra karakaraina eto Vatomandry. Fandokoana ny seza fipetrapetrahana, fandokoana ireo voanio izay manome endrika miavaka an’ity toerana ity ary fanadiovana ny manodidina no ???ℕ???ℝ? niaraha-nanao teto.

Efa latsa-paka anatin’ny olom-pirenena any an-toerana ny Tagnamaro ka tonga maro foana izy ireo isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana .